ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nahazo fanomezana ireo mpianatra ao amin’ny ivon-toerana mampianatra mamaky teny sy manoratra ary mikajy ao Belanitra

Nahazo fanomezana sy fanampiana toa ny ankanjo fitafy sy fitaovam-pianarana ary aron’ankanjo, avy amin’ny orinasa Festival ao Ambohipanja sy ny « Confectex » ary olon-tsotra isan-tsokajiny avy ao an-toerana ireo mpianatra ao amin’ny ivon-toerana Mampianatra mamaky teny sy manoratra ary mikajy ao amin’ny fokontany Belanitra, kaominina Ankadikely Ilafy.  Entina hanampina ireo mpianatra sy ho fanohanana azy ireo amin’ny fampianarana no antony izany, raha ny voalaza.

« Faly ireo ankizy, faly ihany koa ny tomponandraikitra nandray ireo vahiny tonga, nanolotra fanomezana ho fanampiana ireo mpianatra eto anivon’ny ivon-toerana. Hery lehibe ho an’ny ankizy ny fanomezana tahaka izao, izay hisaorana feno ireo mpanohana indrindra ny reny mpiahy sy mpitantana ny orinasa confectex ary ny fikambanana izay mikaroka hatrany ny hahasoa ireo mpianatra » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny ivon-toerana.

« Mahatsiaro tena tsy ho zanak’ikala hafa ireo zanakay mahazo fanomezana tahaka izao. Hisaorana feno ireo tomponandraikitra mpanohana rehetra. Anisan’ny manampy azy ireo amin’ny filofosana sy fiezahana ny fahazoana fitaovana vaovao sy ankanjo entina mianatra » hoy i Sophie, ray amandrenin’ny mpianatra.

Tsy mitsahatra ny manao ezaka ho fanohanana sy fanampiana ireo mpianatra ao amin’ny ivon-toerana ny orinasa isan-karazany ao an-toerana. Ny fikambanana Fanazava Mada (FAM) ihany koa araka ny voalaza, dia miara-misalahy amin’ny fanohanana ireo mpianatra mandrato fianarana ao. Ity ivon-toerana ity izay sahanin’ny fiadidian’ny kaominina.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire