Ambohimangakely : Hisy ny fanoloana sy fametrahana fantson-drano vaovao eny amin’ny faritra Ambohimahitsy sy ny manodidina
Hisy ny fanoloana sy fametrahana fantson-drano vaovao eny amin’ny faritra Ambohimahitsy sy ny manodidina, ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo ny asa fanamboarana izany, araka vinavinaina ho vita ny zoma 30 Desambra raha ny voalaza.
« Ho fanatsarana ny fitsinjarana rano fisotro madio eto amin’ ny kaominina Ambohimangakely ary koa hitsinjovana ny tsy fahampian-drano izay no anton’izay fanamboarana izay. Ezahina ny hahavitan’izany mialohan’ny faran’ity taona ity » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.
« Mety hisy fikorontanana mitsitapitapy ny famatsian-drano eny amin’ ny fokontany Ambohimahitsy sy Ambohimangakely ary ny manodidina mandritra izany fotoana izany. Izao asa izao moa no tontosa dia teo ny fiaraha-miasan’ny orinasa Jirama sy ny orinasa OTI (Ouvrages et Travaux Industriels) eo ambany fiahian’ ny kaominina Ambohimangakely » hoy hatrany ny avy ao amin’ny kaominina.
Manoloana ny fanamboarana toa izao, ilaina ary entanina ny mponina hananana faharetana mandritra izany fotoana izany. Efa misy ihany koa ny lamina napetraka tokony ho arahain’ny rehetra mba hampizotra sy hampilamina ny asa fanamboarana.
Manitra Ramanantsoa
