ActualitésTsidika

Recyclage : Atao inona ny kodiarana efa tonta ?

Azo ahodina ho lasa zavatra maro ny kodiarana efa tonta. Alohan’izany nefa dia misy ny fanasokajiana ny kodiarana mety mbola azo ampiasaina sy ny efa tsy azo ampiasaina intsony mihitsy. Ireo tsy azo ampiasaina na PUR (pneus usagés réutilisables) dia alefa eny amin’ny famarotana « occasion » na ahondrana na rakofana (rechapés).

Ho an’ireo efa tsy azo ampiasaina intsony kosa dia alefa any amin’ny toeram-panodinana izay mamadika azy ho vokatra azo ampiasaina indray toy ny gazon synthétique ; revêtement routier, remblais, combustible, moule ary tafo sy vy ho an’ilay vy amin’ny kodiarana. Ankoatran’izany dia misy ihany koa ny manodina ny kodiarana ho haingon-trano na fanaka.

Laisser un commentaire