SSMAF 2023 : Fampisehoana Parkour, bike, skate ary ny ara maro-seho no hanokafana ny hetsika
Hanomboka tsy ho ela ny andiany fahatelo amin’ny hetsika SSMAF ho an’ity taona 2023 ity. Ny sabotsy 15 jolay ity no hanomboka amin’ny fomba ofisialy, eny amin’ny BTC Ambohimangakely izany, araka ny voalaza.
« Mizara efatra mazava ny fizaram-potoana ho an’ny fanatanterahana ny SSMAF amin’ity andiany manaraka ity. Voalohany amin’izany, manomboka ny andro fanokafana ofisialy izay ny “public event”, ny zava-kanto izay fanomezan-danja ny mozika sy ny ara-kolotoraly, ny “foire” izay hiantseheran’ireo orinasa sy tomponandraikitra isan-karazany ary ny “sports event” izay mampiavaka ny SSMAF » hoy i Hasina, tompon’andraikitra mpikarakara ny hetsika.
« Ho an’ny andro voalohan’ny hetsika moa dia io no fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny SSMAF. Mandritra izany dia hisy sahady ny fampisehoana ataon’ireo mpanatalenta amin’ny taranja Parkour, ny bike ary ny arts martiaux » hoy hatrany ny fanazavana.
Fotoana iray fananararaotra hanehoana sy hitrandrahana ny talenta ny SSMAF. Amin’ity andiany ity moa dia an’arivony ireo mpandray anjara handrasan’ny mpikarakara amin’izany.
Manitra R.
