Inde : Mamelona olona 4 tapitrisa ny voanio ao an-toerana
Isan’ireo firenena mpamokatra voanio betsaka indrindra eran-tany i Inde. Midadasika ny fambolena izany ao amin’ny faritanin’i Kerala izay midika hoe « le pays des cocotiers » ara-bakiteny.
Mamelona olona maro ao Inde io fambolena voanio io. Mahatratra 4 tapitrisa ny olona misehatra eo amin’izany miainga any amin’ny famokarana sy ny fihotazana hatrany amin’ny famarotana sy ny fanodinana. Isany vokatra ampiasaina ary tadiavina eran’izao tontolo izao ny menaka voanio ka anisany mampiroborobo ny asa fanodinana ao an-toerana.
Ankoatran’ny menaka dia ahodin’izy ireo ho lasa zezika ny hodin’ny voanio ary ampiasaina amin’ny fanamboarana lamba ny faikany.
