ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Tafiditra ho mpikambana vaovao ao anatin’ny IPAM

Tamin’ny Alakamisy 24 novambra lasa teo no nanatontosana ny fivoriam-be ara-potoan’ny fikambanana IPAM (Agence d’urbanisme) izay misehatra indrindra amin’ny fanajariana ny tanàna, ny fandaminana ny fako, ny fanadiovana sy ny fidioavana ary ny fitaterana. Nandritra izany no nandraisana ny mpikambana vaovao dia ny kaominina Bemasoandro sy ny kaominina Ambohimanambola, raha ny voalaza.

« Dingana lehibe ho an’ny fampandrosoana ny kaominina ny fandraisana anjara amin’izao sehatra izao. Anisan’ny manampy betsaka amin’ny fandrindrana sy ny fitantanana ary fandaminana ireo rafitra sy sehatra misy ao an-toerana izany izay hitondra tombontsoa sy fampandrosoana ho an’ny rehetra » hoy i Rafidy, mpahay fiaraha-monina.

« Anisan’ny fanapahan- kevitra lany nandritra ny fivoriana ny hirosoana amin’ireo tetikasa fanisana trano sy fanaganana tahirin- kevitra any anaty kaominina tsirairay avy » hoy ny tompon’andraikitra mpitantana izany.

Ho atomboka amin’ny zoma 09 desambra ho avy izao ihany koa ny atrik’asa momba ny fivezivezena sy ny fitaterana ao amin’ny an-drenivohitra sy ny manodidina, araka ny voalaza hatrany. Nitarika ity fivoarim-be ity moa ny filohany Ramparaoelina Rado.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire