Ankadikely Ilafy: Mila fanamboarana ny tetezana ao Ambohitrarahaba
Tetezana maro mpampiasa ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba ity tetezana no sady lalana ity. Efa tena simba tanteraka izany amin’zao fotoana izao, ka mila fijerena maika sy fanamboarana, raha ny fitarainan’ireo mpampiasa izany.
“Araka ny hita izao moa dia tena efa simba tanteraka ity lalana ity. Efa ela tsy nisy fanamboarana izy io kanefa dia tena mampatahotra ny mandeha aminy. Mila fitandremana be kanefa maro ireo ankizy sy olon-dehibe mandalo sy mampiasa izany avokoa” hoy i Marie, mponina ao Ambohitrarahaba.
“Efa fotoana ela no nanahirana ny fampiasana ity lalana ity; ny vahaolana mety sady mahomby no haingana hamahana izany dia ny fiaraha-mientan’ireo mpampiasa azy, mila mifanome tanan hanamboatra izany fa tsy voatery hiandry tomponandraikitra” hoy i Rova, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.
Anisan’ny mampitaraina ny mponina ny mampiasa ity lalana ity, indrindra rehefa fotoanan’ny fahavaratra. Mangataka ny hijeren’ny tomponandraikitra izany lalana izany, arak’izany izy ireo, ary mangataka ny hanoloana izany ho vita amin’ny “béton”.
Manitra R.
