KMF/CNOE : Mametraka ny tany tan-dalàna ny fanjakana
Nilaza ny avy ao amin’ny KMF/CNOE, fanabeazana olom-pirenena, nandritra ny tatitry ny fanaraha-maso ny fiainam-pirenena fa mametraka ny tany tan-dalàna ny fitondram-panjakana ankehitriny. Nisy ny fanehoan-kevitra navoakan’izy ireo tamin’izany.
« Hita taratra amin’ny fandraisana fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana amin’izao ny finiavana amin’ny fametrahana ny tany tandalàna. Isan’ny nahitana izany ny fanekena ny fametram-pialana nataon’ny Ministry ny fitsarana teo aloha » hoy ny Birao Nasionalin’ny KMF/CNOE. « Anisan’izany ny trangana koa ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, toy ny raharaha « écrans plats » sy « bonbons sucettes », ny fanenjehana tomponandraikitra ambony, izay mandalo amin’ny Antemieram-pirenena sy tokony hotsaraina amin’ny Fitsarana Avo.
Ilaina ny fanohizana sy ny fangaraharahan’ny fanadihadihana mba hisian’ny filaminana eto amin’ny firenena » hoy hatrany izy ireo. Miantso ny solombavambahoaka mba tsy hihemotra na hitanila ny KMF/CNOE.
Nicole Rafalimananjara
