Mitondra vahaolana amin’ny fiainana an-davan’andro tokoa ve ny fisian’ny Tsena Mora ?
Niakatra ny vidin’ireo entana ilaina an-davanandro ary indrindra ny vary izay foto-tsakafontsika eto Madagasikara. Ny Tsena mora no isan’ny vahaolana natolotry ny fitondram-panjakana. Tena namaha ny olana tokoa ve anefa ? Nanaraka ny fenitra ara-tsakafo ve ireo namidy ?
« Entana efa lany daty any no zaraina amin’ny vahoaka, ny vary efa stock, hany ka mihininana foana na tsy mahazaka aza » hoy i Lanto, mponina eto Antananarivo. « Famonoana ny Malagasy ny tsena mora, vary stock mamofona be sy menaka mandry tsy mitondra fahasalamana no mbola hamisy kanefa dradradraina etsy sy eroa fa hoe vahaolana hono » hoy kosa i Berthine, renim-pianakaviana naneho ny heviny.
« Izahay aloha, aleo miafy amin’ilay entana eny an-tsena fampiasa hatramin’izay na nahitana fiakarana aza e, satria hihinana mba ho salama fa tsy hihinana mba ho voky fotsiny ihany » hoy i Florence, mpampianatra. Hanamorana ny fahefa-mividin’ny vahoaka no anton’ny tsena mora. Nihamora tokoa ve ny fahefa-mividy ? Tokony sakafo sy entana ara-pahasalamana no omen any vahoaka, raha hanafatra any ivelany ihany, maninona raha ny vary tsara indrindra no hafarana, hahalany ny vola azo ve izany tany amin’ireo mpamatsy vola ho an’ny tsy fanjarian-tsakafo ve izany ?
Nicole Rafalimananjara
