Fifaninana « Master Class » entina miady amin’ny kolikoly: Tontosa ny andro fahatelo farany
Tanteraka ny alarobia 25 Aogositra 2021 tao amin’ny IKM antsahavola ny andro fahatelo farany amin’ny hetsika sy fifaninana « Master class » hiarahana amin’ny UNESCO. Nanatrika ary nanokatra ny fotoana ny Sekretera Jeneralin’ny « Commission Nationale Malagache pour l’UNESCO » (Comnat Unesco), Manda Ravelojaona. Nanazava izy fa « Raha tiana ho tafita ny hafatra amin’ny sehatra rehetra di any tanora no tsara indrindra entanina amin’izany ».
Lisea sy oniversite miisa 40 manerana an’Antananarivo no nandra anjara tamin’ity hetsika ity ka notsinjaraina nandritra ny telo andro ny hetsika ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana. « Ampahafantarina ireto tanora ireto ny endrika rehetra mety hisehoan’ny kolikoly ary aorian’izay dia mamokatra asa-soratra izy ireo araka ny fahazahoany izany izany ka entina miady amin’ny kolikoly » hoy ny fanazavana nataon’ny Sekretera Jeneraly ny Comnat Unesco. Hoan’ny sokajy lisea dia lahatsoratra ahitana voambolana 1500 no andrasana avy amin’ireo mpandray anjara raha toa ka voambolana 2 000 kosa ny hoan’ireo oniversite. Mbola natokana hoan’ny mpisehatra eto Antananarivo sy ny manodidina ny hetsika fa mbola hiparitaka erak’i Madagasikara izany hoy hatrany ny Sekretera Jeneralin’ny Comnat Unesco.
Sitraka Rajaonarivony
