Martinique : Nitarina 3 herinandro ny fihiboana
Manoloana ny fianaky ny valan’aretina ao Martinique dia nanapa-kevitra ny préfet Stanislas Cazelles fa hitarina 3 herinandro ny fihiboana. Maharitra hatramin’ny 19 septambra noho izany ny fepetra efa napetraka. Raha ny tatitra nataon’ireo tompon’andraikitra misahana ny fahasalamana ao an-toerana mantsy dia tranga 3 211 no voarakitra teo anelanelan’ny 16 sy 22 aogositra. Mahatratra 540 ihany koa ireo mararin’ny Covid manerana ny hopitaly ao amin’ny nosy ankehitriny ka ao amin’ny fameloman’aina ny 78 amin’ireo. Tsy maharaka intsony ny toeram-pitsaboana raha ny fanazavana.
