SocialTatitra

Etats-Unis : Nihena ny fandairan’ny vaksiny Pfizer sy Moderna

Mitohy ny ady amin’ny valan’aretina maneran-tany. Ny Delta variant no anisan’ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny fianak’izany amin’ny firenena maro. Avy aminy avokoa ny 50% ny tranga ao Etats-unis raha ny fanazavana.

Ny vaksiny no anisan’ny fanefitra mahomby indrindra manoloana ity aretina ity saingy araka ny tatitra navoakan’ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana américain ny talata teo dia niena 66% ny fandairan’ny vaksiny Pfizer sy Moderna raha 91% izany teo aloha. Mpiasa an’arivony sy toeram-pitsaboana maro tao amina fanjakana enina tao an-toerana no nanao fikarohana mahakasika izany. Tsy ny fahatanjahan’ny Delta variant ihany nefa no nampiena io fiasan’ny vaksiny io fa ny fotoana ihany koa hoy izy ireo.

Laisser un commentaire