PolitiqueTatitra

Afghanistan : Hifarana androany 26 aogositra ny fitaterana ataon’i France raha hitsahatra i USA

« Mifarana androany 26 aogositra ny fitateranay ireo afghan raha toa ka mifarana amin’ny 31 aogositra ihany ny an’i USA » hoy ny fanazavan’i Nicolas Roche ny talen’ny biraon’ny minisitry ny raharaham-bahiny tamin’ny praiminisitra Jean Castex. Izay no tokony ho izy hoy izy raha samy hanaja ny fe-potoana. Vao nanomboka nogiazan’ny Taliban tamin’ny 15 aogositra teo mantsy i Kaboul dia efa nametraka «pont aérien» hitaterana ireo français sy ireo afghan voarahona tao an-toerana izy ireo. Olona manodidina ny 2000 no efa notateriny ary mbola misy français 62 ao an-toerana raha ny fanazavan’ny minisitra.

Laisser un commentaire