SportTatitra

Tanzanie : Nitarika resa-be ny teny nataon’i Samia Suluhu Hassan momba ireo mpilalao baolina kitra vehivavy

Nandresy tamina fifaninanana Coupe de la Cecafa (compétition réunissant des sélections nationales d’Afrique de l’Est et Centrale) ny ekipam-pirenena Tanzanien latsaky ny 23 taona. Noraisin’ny filoham-pirenena Samia Suluhu Hassan izy ireo nandritra ny fankalazana izany ny 22 aogositra teo.

Nangataka izy tamin’io fotoana io mba hahazo hanatsarana ny famatsiam-bola amin’ny fanatanjahantenan’ny vehivavy saingy nandratra ny maro kosa ny teny nataony fa tsy ahazo vady ny ankahamaron’ireo vehivavy ireo. « Tsy mahasarika fa fisa-tratra loatra ny mpanao baolina kitra vehivavy… sarotra ahitana vady» hoy izy nandritra ny fandraisam-piteneny.

Niparitaka tao amin’ny tamba-jotra sosialy io teny nataon’ny filoha io ka niteraka fahatezerana teo amin’ny vahoaka maro. Namaly i Catherine Ruge, lehiben’ny sehatry ny tanora ao amin’ny antoko mpanohitra Chadema ary mpikambana ao amin’ny Parlemanta teo aloha fa mendrika ho hajaina avokoa ny vehivavy rehetra.

Laisser un commentaire