Brésil : Olona roa avy any France voasambotra raha nihanika ny sarivongan’i « Christ rédempteur » ao Rio
Nijanona tao amin’ny toerana misy ny sarivongana i Clément Dumais, 28 taona sy i Paul Roux-dit-Buisson, 27 ans taona tao aorian’ny fikatonany ny alahady teo. Rehefa tonga ny alina dia nihanika ny sarivongana ireto lehilahy roa tia andrakandrana efa malaza ao amin’ny tamba-jotra sosialy ireto. Saika hijery masoandro mody teo amin’ny 38 m ny sarivongana izy ireo raha ny fanazavana. Vao mangiran-dratsy ny alatsinainy teo kosa izy ireo no tsikiaritry ny mpiambina Clément D. sy Paul R. Navotsitra kosa izy roa lahy rehefa nandoa onitra 10 000 réais (1.600 euro), tsy maintsy mandalo fitsarana ihany nefa izy ireo.
