ActualitésTatitra

Etats-Unis : Mitohy ny fanadihadiana momba ireo antontan-taratasy tsiambaratelo nivoaka tao an-toerana

Antontan-taratasy tsiambaratelo (confidentiel) maromaro momba an’i Etats-Unis no niparitaka an-jotra ny herinandro lasa teo. Raha ny fanazavana dia mirakitra ny fomba fijerin’i Washington ny ady ao Ukraine sy ahitana angon-drakotra samihafa momba ireo mpiara-dia akaiky amin’i Etats-Unis ireo antontan-taratasy ireo.

Efa nisokatra kosa ny fanadihadiana momba io raharaha io, ary lehilahy iray no efa voasambotra. Tovolahy iray antsoina hoe Jack Teixeira no voarohirohy amin’izany, raha ny tatitry ny minisitry ny fiarovam-pirenena, Merrick Garland. Mpiasan’ny Air National Guard ny tenany ary voasambotra tao Massachusetts. Izy no heverina fa nanaparitaka ireo antontan-taratasy tao amin’ny tambajotra sosialy Discord.

Laisser un commentaire