Fampianarana: Telo volana farany, fotoana farany hanomanan-tena amin’ny fanadinam-panjakana
Miditra amin’ny telo volana farany amin’ny taom-pianarana ireo mpianatra amin’ny fanabeazana fototra rehetra manomboka androany. Telo volana farany, ity no fotoana farany lehibe sady mavesatra indrindra ho an’ny mpianatra, indrindra ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana. Ity no fotoana farany hahafahana manoman-tena mafy indrindra mialohan’ny ady mafy. Tsy tokony ho variana intsony araka izany ireo mpianatra amin’izany ady mafy ho atrehiny izany.
“Ity telo volana farany ity no mafy indrindra na ho anay mpampianatra fa indrindra ireo mpianatra ireo. Amin’ity fotoana ity efa vitsy ny lesona fa ny famerenana sy ny fanazaran-tena no tena mila hatao betsaka. Amin’ity ihany koa no hijerena ireo lesoka amin’ny mpianatra tsirairay hahafahana manampy azy ireo. Raha variana anefa amin’ity farany ity dia tena sahirana tokoa ka mila taitairina matetika ireo mpianatra ireo”, hoy ity mpampianatra kilasy faha-sivy ity.
Mila manana fitondran-tena tsara sy fahafehezan-tena tsara ireo mpianatra ao amin’ny kilasy faha-dimy, faha-sivy ary faha-12 ireo amin’ity telo volana farany ity. Samy manana ny fomba fanaony amin’ny fianarana izay hataony ireo mpianatra ireo fa tokony tsy ho variana intsony amin’ny fotoana efa antomotra. “Hajanona ny finday, izany hoe ahena ny fotoana hijerena finday sy hampiasana ny facebook. Mikaroka “sujet” betsaka hampiharana ny lesona. Tsy dia be lalao be intsony fa miezaka mifantoka na any am-pianarana na ao an-trano”, hoy i Yohan, kilasy faha-12 haka ny diplaoma Bakalorea.
Antomotra ny fotoana, tsy tokony hadinoina ihany koa fa ny fisoratana anarana amin’ireny fanadinam-panjakana ireny dia tena laharam-pahamehana. Ampatsiahivina fa ny fanadinana CEPE dia hatao ny 20jona 2023, 3 ka hatramin’ny 6 jolay kosa ny BEPC ary BAC kosa dia ny herinandron’ny 17 hatramin’ny 21 jolay ny tapany voalohany ary 24 hatramin’ny 27 jolay ny tapany faharoa.
Miora Raharisolo
