ActualitésTatitra

Etats-Unis : Team Alpha Male, vondrona namoaka sangan’ny taranja MMA maro

Vondrona mpikatroka MMA ao Sacramento, Californie ny Team Alpha Male. Sekolin’ny MMA voasokajy ho sangany indrindra eo amin’ny sokajy « poids inférieurs » izy io ary efa namolavola tompondakan’ny UFC telo TJ Dillashaw, Cody Garbrandt ary Deiveson Figueiredo.

Mpikatroka MMA avy ao Amérique antsoina hoe Urijah Faber no namorona ny Team Alpha Male tamin’ny taona 2004. Ao amin’ny Ultimate Fitness ao Sacramento no toeram-panazaran-tenan’ireo mivondrona ao amin’izany. Efa nikambana tao amin’ny Team Faber kosa ny mpikambana tao amin’ny Team Alpha Male nandritra ny taom-pilalaovana 15, 22 ary 25 amin’ny The Ultimate Fighter.

Laisser un commentaire