ActualitésTatitra

Philippines : Hilatsaka hofidiana ilay mpikatroka ady totondry Manny Pacquiao

Efa depiote ity mpilalao Boxe ity tamin’ny taona 2010 ary efa lohaolona ny tenany tamin’ny taona 2016. Nanambara kosa izy ny faran’ny herinandro teo fa hilatsaka hofidiana amin’ny taom-pifidianana 2022 ao Philippines. Efa vonona ny tenany hoy izy ary tonga ny fotoana hanatanterahina ny fanamby.Malaza amin’ny fanohanana ny famelohana ho faty sy ny fankahalana ny fiarahan’ny mitovy fananahana i Manny Pacquiao izay 42 taona ankehitriny. Na izany aza, mpankafia azy avokoa ireo olona ao amin’ireo nosin’i Philippines noho ny fahalalan-tànany sy ny fahombiazany. Marihina fa izy irery no efa tompon-daka eren-tany in-balo tamina sokajina lanja samihafa teo amin’ity taranja ity.

Laisser un commentaire