France : Nohelohina higadra mandrapahafaty ilay lehilahy nitifitra basy vehivavy bevohoka
Niakatra fitsarana tao Aix-en-Provence i Ibrahima Ba, 36 taona ny fiandohan’ny herinandro teo. Raha tsiahivina dia nitifitra basy ny vadiny taloha Chloé izay nitondra vohoka izy. Tamin’ny 4 aogositra 2019 tao Marignaire, tao Bouches-du-Rhone no niseho io tranga io. Nandeha naka ny zanany 7 taona tany amin’i Ibrahima Ba i Chloé, vao tafidina ny fiara nefa izy dia notifirin’ilay raim-pianakaviana in’efatra teo amin’ny kibony.
Bevoka 8 volana i Chloé tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga ary efa niandry andro. Teo amin’ny faha-17 taonany kosa izy no nanomboka niaraka tamin’i Ibrahima Ba izay nanao herisetra taminy fotoana fohy taorian’ny niarahan’izy ireo. Ny taona 2014 izy ireo nisaraka ary rehefa fantatr’i Ibrahima Ba fa nanorina fiainana vaovao niaraka tamin’ny olon-kafa i Chloé dia tsy nazaka izany ary izao nahavanon-doza izao.
Manoloana izany dia voaheloka higadra mandrapahafaty ny alarobia teo i Ibrahima Ba, mbola manana « mesure de sureté » 22 taona nefa izy. Nilaza kosa io lehilahy nahavanon-doza io fa tsy nanenina tamin’ny heloka vitany izy.
