Dépêches

Zotra FCE : Voaloha ny karaman’ireo mpiasa roa volana

Dépêche 17 mars, 11h, Voaray ny faran’ny herinandro teo ny karama roa volana izay nampanantenain’ny Ministeran’ny Fitaterana ireo mpiasa ao amin’ny zotrta FCE. Efa miverina amin’ny asany ireo mpiasa min’izao fotoana izao araka izany ka mijanona hatreo ny fitokonana. Efa 14 volana moa izy ireo no tsy nandray karama ka mba hahafahan’ny zotra miverina miasa ho tombontsoan’ny rehetra dia noraisin’ny Minisitera antanana ny fandoavana io karama io na dia tsy tokony ho anjaran’izy ireo aza izany. Hiverina hiasa tsy ho ela araka izany ny zotra rehefa vita ny fanarenana ny simba rehetra izay efa nanomboka efa ela.

Laisser un commentaire