Satan’ny vehivavy: Mandray anjara amin’ny fivorian’ny vaomiera I Madagasikara
Tany amin’ny foiben’ny vondrona iraisam-pirenena any New York no nanatanterahana ny fivorian’ny vaomiera momba ny satan’ny vehivavy. Anio no hifarana izany fivoriana izany ka ny tena tanjona tamin’izany dia ny fikarohana vahaolana hahafahana manatratra ny tanjona izay napetraka maneran-tany nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena amin’ny ady ho an’ny zon’ny vehivavy ny 8 martsa teo.
“Lehibe ny tanjona tamin’ity taona ity ka izany indrindra no niadiana hevitra sy nifampizarana. Ny votoatin’ity fihaonana ity dia ny hahafahana mitondra ny miralenta sy ny fampizakan-tenan’ny ankizivavy sy ny vehivavy amin’ny alalan’ny fahaiza-manao amin’ny haitao ara-kajy mirindra. Nifanakalozana indrindra ny mahakasika ny firenena andalam-pandrosoana hahafahana manatratra ny tanjona izay hahatonga ny vehivavy ho mpandray anjara feno amin’ny fampandrosoana”, hoy ny solontenan’ireo Delegasiona nanatrika ny fivoriana.
Manana anjara toerana lehibe tokoa ny vehivavy amin’ny fampandrosoana na ara-tsosialy, na ara-ekonomia ary na ara-politika ihany koa aza. “Anisan’ny azon’ny orinasa atao ny mampitovy ny zo sy ny adidin’ny lehilahy sy ny vehivavy anatin’ny orinasany. Fihetsika iray hahafahana manatanteraka ny RSE ihany koa izany. Ity RSE ity izay ilaina hahafahan’ny orinasa iray mahazo ny label izay ilainy amin’ny fanapariahana ny vokany”, hoy ity mpitantana orinasa iray.
Mandray anjara amin’ny fivoriana toy izany i Madagasikara satria mahatsapa ny rehetra fa ilaina ny vehivavy. Efa misy ny toe-tsaina miabo mivelona anatin’ny tsirairay matoa mahatsiaro fa ilaina ny fisian’ny vehivavy amin’ny lafiny fampandrosoana. Ireo firenena izay mbola manao tsinontsinona ny maha-vehivavy ny olona iray no tokony hojerenan’ny firenena hafa akaiky, na amin’ny lafiny maha-olona fotsiny aza, eo ihany koa ny lafiny araky ny lalàna ary ny lafiny toekarena.
Miora Raharisolo
