ActualitésTatitra

Cuba : Mpikatroka MMA anisany kely indrindra i Gustave Balart

Mpikatroka MMA avy ao Cuba i Gustave Balart izay kely fa manana herin-tsaina goavana. Teraka ny 10 febroary 1987 tao Santiago de Cuba ny tenany. Mirefy 1,50 metatra i Gustave Balart ary milanja 56,7 kilao.

Ny 1 aogositra 2015 i Gustave Balart no niditra teo amin’ny sehatry ny matihanin’ny MMA. Efa nandray anjara tamin’ny « championnat ONE » sokajy « paille » (57 kilao) izy ary efa nikatroka tamin’ny Titan Fighting Championships (Titan FC). Laharana fahaefatra kosa izy amin’ny lisitry ny « ONE Championship Strawweight » amin’izao fotoana.

Fifaninana 14 no efa nokatrohan’i Gustave Balart hatramin’ny naha mpikatroka matihanina azy. 10 ny fandresena azony tamin’ireo (1 : KO ; 9 : décision), 4 kosa ny faharesena (2 : KO ; 2 : décision).

Laisser un commentaire