Australie : Hisokatra ny 21 feboary ho an’ny mpizaha tany ny sisin-tany
Nanambara ny praiministr’i Australie Scott Morrison fa hisokatra ny 21 febroary izao ho an’ireo mpizaha tany vita vaksiny feno ny sisin-taniny. Efa nivorian’izy ireo teo anivon’ny kabinetran’ny fiarovam-pirenena izany fanampahan-kevitra izany.Ny volana martsa 2020 teo no nanakatona ny sisin-tanin’i Australie noho ny valan’aretina covid-19. Efa roa taona ireo mponina tao an-toerana no tsy nahazo nivoaka ny firenena. Izay olona nahazo alalana manokana ihany no nahazo nivoaka na niditra ny firenena nandritra izay fotoana izay. Fianakaviana maro no nisara-toerana ; mpifindra-monina sy mpianatra maro no nisedra izany hoy ny praiministra.
