Etats-Unis : Boky anisan’ny tsara indrindra ho an’ny fandraharahana ny « The 4‑Hour Workweek »
I Timothy Ferriss, mpanoratra sy mpandraharaha, no nanoratra ny « The 4‑Hour Workweek » na « La semaine de 4 heures ». Teraka tamin’ny 20 jolay 1977 izy ary anisan’ireo « best seller » na nahavarotra boky maro be izy. »Travaillez moins, gagnez plus et vivez mieux » midika hoe « ahena ny asa, mahazoa mihoatra ary miainà tsara kokoa » izany no teny filamantr’ity boky ity. Mamelabelatra ny ora fiasana ity boky ity, nahatsikaritra ny mpanoratra fa miasa 40 ora isan-kerinandro eo ny mpiasa iray ka nanome vahaolana izy nantsoiny hoe « nouveau bienheureux ». Mahay mandanjalana ireto akora 3 ireto ny « nouveau bienheureux » hoy izy dia ny fotoana, ny vola ary ny fivezivezena.
