SocialTatitra

France : Mihamitombo ny trangana vono olona sy ny trangana fikasana hamono olona

Araka ny tatitra farany navoakan’ny ministeran’ny atitany, ao France, dia nahitana fiakarany 59%, teo anelanelan’ny taona 2016 sy 2022 ny trangana fikasana famonoana olona, tao an-toerana. Mampanahy be ihany ny zava-misy, araka ny voalaza, Ho an’ny taona 2022, nahatratra 3.584 ny trangana fikasana hamono olona tao an-toerana, raha oharina ny taona 2016, izay 2.259. Tsara ho marihina, fa ny fikasana hamono olona dia voasakajy ho vono olona na vono olona tsy nahomby saingy hita taratra ny fikasana hamono ilay olona, izany hoe fihetsika nitarika ny fahafatesan’ilay niharan’ny vono. Izany ihany koa moa dia endrika herisetra hita eny amin’ny fiaraha-monina any an-toerana.

Laisser un commentaire