PolitiqueTatitra

Nigeria : Olona maherin’ny 50 no namoy nyainy nandritra ny fanafihana indroa nifanesy tao an-toerana

Olona maherin’ny 55isa no maty nandritra ny fanafihana indroa nifanesy, tao amin’ny faritra afovoan-tany, ao Nigeria, ny talata 23 sy alarobia 24 janoary teo. Voasokajy ho toerana na kianjan’ny herisetra mihitsy (Etat de Plateau) ity ivon’ny firenena ity, izay efa nahafatesana olona maro, hatramin’ny noely 2023 teo, araka ny voalazan’ireo manam-pahefana any an-toerana. Na dia teo aza ny famerana ny fivezivezena amin’ny alina tao amin’ny faritr’i Mangu, dia lasibatry ny fanafihana hatrany ireo sekoly, ireo toeram-pivavahana , tranon’olon-tsotra.

Laisser un commentaire