Cameroun : Niady hatramin’ny farany i Comores
Voalohany teo amin’ny tantarany i Comores no nandray anjara tamin’ny CAN. Nifanehitra tamin’i Gabon ny alatsinainy teo toy i Égypte sy Togo ary Kenya izy. Resin’i Gabon tamin’ny isa 1 no ho 0 nefa izy saingy tsy nampitsanga-menatra ny lalao nataony.Niezaka nanohitra hatramin’ny farany ny Panthères gabonaises i Comores. Naneho ny fahavitrihany sy ny fahavononana nihatrika ny fifaninany voalohany amin’ny CAN izy. Nahohitra ny mpifanandrina taminy izy saingy tsy nety nahatafiditra baolina. Teo amin’ny minitra faha 72 kosa i Moussa Djoumoi vao nahazo « tir cadré », saingy voasakan’ny mpiandry tsato-kazon’ny gabonais Jean-Noël Amonome izany. Mbola nahazo « coup franc » ihany koa i Youssouf M’Changama tao aoarian’izany saingy ravan’i Lloyd Palun izany.
