France : Mpampianatra amin’ny garabola voarohirohy ho midaroka mpianatra
Mpampianatra iray no nanokafana ny fanadihadiana tao amin’ny fampanoavana, tao Bourg-en-Bresse, France, manoloana ny fitarainan’ireo ray aman-dreny sy ny mpandraharaha ao amin’ny sekoly. Voalaza fa midaroka ireo mpianany ity mpampianatra ity, izay mbola ao amin’ny kilasy garabola. Raha ny nambaran’ny fampanoavana ao Bourg-en-Bresse hatrany dia fanokafana ny fanadihadiana no natao an’ity mpampianatra ity, manoloana ny fiampangana azy ho manao herisetra amin’ny zaza tsy ampy taona. Raha ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo ray amandrenin’ny mpianatra, zazalahy iray no tsy tompon’ny tenany intsony rehefa niverina avy any an-tsekoly, raiki-tahotra ity ankizy ity ary tsy nahatsiaro izay nitranga tany an-tsekoly. Nahitana mangana sy kiaka ihany koa ny vatany ary nitaraina tamin’ny reniny fa novonoin’ny mpampianatra azy. Etsy andanin’izay, nilaza fa tsy nahavoaray fitarainana momba ny trangana herisetra ny avy amin’ny sampana nasionaly misahana ny fanabeazana ao an-toerana.
