Haïti : Polisy efatra maty voatifitra nandritra ny fifandonana tamin’ny andian-jiolahy
Polisy efatra no maty tamin’ny fifampitifirana tamin’ny andian-jiolahy (gangster) tamin’ny faran’ny herinandro teo, tao Port-au-Prince, renivohitr’i Haïti. Ankoatra ireo, dia dimy hafa ihany koa no naratra mafy. Jiolahy iray tamin’ireo « gangs » ireo no nahafantarana fa nikendry ny hitifitra ny praiministra nandritra izany fifampitifirana izany. Manoloana izany zava-nitranga izany, dia nanantitrantitra ny sekretera jeneralin’ny firenena mikambana fa ny fametrahana politika mahomby no vahaolana enti-miady sy manohitra ireo andian-jiolahy lehibe ireo. Ilaina ao anatin’izany ny fanampiana avy amin’ny tafika iraisam-pirenena mba hanampy ireo polisy ao Haïti ka mametraka politika manokana hanafoanana ny herisetra ataon’ireo jiolahy ireo ao an-toerana.
