Anosy Avaratra : Nisy ny fifaninanana Miss & Mister, dihy tao amin’ny kaominina
Nisy ny fifaninanana Miss et Mister ary Dihy izay nokarakarain’ny Association Taho, tao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. Tontosa tamin’ny faran’ny herinandro teo ny dingana famaranana izany, izayteo ambany fiahian’ny ben’ny tanàna miadidy ny tanàna, araka ny voalaza.
« Ny sekoly teto amin’ny ZAP Anosy Avaratra no nandray anjara tamin’izany ka sekoly efatra no tafiakatra tamin’ny dingana famaranana, ny Lycée Rahombana, Mino School, LP Bebesam Espoir, ary La Source Bleue » hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.
« Manasongadina ny kanto sy ny kolontsaina ny fifaninanana tahaka izao ary mahafinaritra ny mahita ireo ankizy mitrandraka sy maneho ny talenta, indrindra ny fahaiza-manao sahady ao anatin’ny kanto. Hisaorana lehibe ireo mpikarakara amin’ny fanomezan-danja ny fifaninanana tahaka izao » hoy i Holy, renim-pianakaviana.
Ahitana fanabeazana sy fanomezan-danja ny kolontsaina ny fifaninanana tahaka izao. Ao anatin’izany tokoa no hamolavolana ireo ankizy amin’ny talenta sy ny fahaiza-manaony na eo amin’ny dihy izany na eo amin’ny fifaninanana amin’ny hatsaran-tarehy. Ny kaominina sy ireo fikambanana ary ny ZAP ao an-toerana dia anisan’ny manome sehatra sy manohana izany.
