PolitiqueTatitra

Canada : Nodimandry ny praiministra teo aloha, Brian Mulroney

Nodimandry teo amin’ny faha 84 taonany, ny praiministra kanadianina teo aloha, Brian Mulrone, rehefa nitondra ny firenena teo anelanelan’ny taona 1984 ka hatramin’ny 1993, araka ny nambaran’ny zanany tao amin’ny tambajotran-tserasera. Izy no praiministra faha 18 nitondra tao amin’ity firenena ity ary anisan’ny nanamarika ny lafin’ny ara-politika tao an-toerana, ho an’ny taona 80. Nanana hafanam-po, nahasarika ary nanintona hatrany tamin’ny fahaizany miresaka sy mifandray amin’ny hafa ity praiministra ity. Nampiasainy avokoa na ny teny frantsay na ny teny anglisy. Mpiofana ho mpisolo vava izy ary mpitantana orinasa mialohan’ny naha praiministra azy. Ny taona 1984 no voatendry tamin’ny naha praiministra azy ary anisan’ny niady tamin’ny fanavakavaham-bolon-koditra taty Afrika atsimo ny tenany ; ity farany izay tsy nampifankahazo azy tamin’ny namany. Ankoatra izay, anisan’ny nampisy ny fifandraisana tamin’ny firenena Ameriaknina ihany koa ny tenany, taorian’ny disadisa samihafa teo amin’ny firenena roa tonta.

Laisser un commentaire