ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Niara nientana ireo mpianatra sy ny kaominina amin’ny fanatanterahana ny asa fikojana ny kianja filalaovam-baolina

Nisy ny fiaraha-mientana teo amin’ireo mpisehatra eo amin’ny fanabeazana sy ny kaominina Anosy Avaratra, ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny fanaovana asa fikojana ny kianja filalaovam-baolina ao an-toerana. Nandray ny anjara tandrify azy avokoa ny rehetra, hatramin’ireo mpianatra sy ny mpampianatra ary ny avy kaominina ao an-toerana nandritra izany.

« Ity no dingana voalohany amin’ny fikojakojana ny kianja filalaovam-baolina eto Anosy Avaratra.  Izany moa dia natao mba hanatasarana sy hamerenana indray ny kianja ho azon’ny rehetra ampiasaina amin’ny maha kianja azy » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Ny fiaraha-mientana no zava-dehibe ao anatin’izao satria fananana iombonana ny kianja, mampiasa izany avokoa na ny mpianatra na ny mpanao fanatanjahan-tena. Manana andraikitra ny tsirairay ao anatin’izany, hitondra ny anjara biriky amin’ny fikojana itony foto-drafitr’asa itony » hoy i Tefy, mponina ao Anosy Avaratra.

Mbola hitohy hatrany moa ny asa fikojana ity kianja ity. Haharitra roavolana ny asa iarahana amin’ireo klioba mpilalao ny taranja baolina kitra rehetra ao anatin’ny kaominina mandritra izany ary hikatona tsy azo ampiasaina ny kianja, raha ny voalaza hatrany.

Laisser un commentaire