SocialTatitra

Bangldaesh : Toeram-pisakafoanana iray nirehitra, olona 44 namoy ny ainy

Toeram-pisakafoanana iray no nirehitra tao amin’ny renivohitr’i Bangladesh, ny faran’ny herinandro teo. Olona maherin’ny 44 ireo namoy ny ainy vokatr’izany ary am-polony hafa no naratra, rava tanteraka ihany koa ity toeram-pisakafoanana izay misy rihana fito tao Dacca ity. Nandray an-tanana avy hatrany ireo olona naratra vokatry ny fahamaizana ny hopitaly be tany an-toerana sy ireo ivon-toerana misahana ny fitsaboana may, raha ny voalazan’ny ministera misahana ny fahasalamana any an-toerana. Olona 40 no manaraka fitsaboana tao anatin’izany. Toerana malaza ao an-toerana ary anisan’ny mahasarika olona ity niharam-boina ity. Vetivety ihany koa no niparitahan’ny afo tamin’ireo efitra amboniny. Niezaka namonjy ireo olona ihany anefa ireo sampana mpamonjy voina tao anatin’izany ka olona 75 no avotra soa aman-tsara. Heverina ho fipoahan’ny « gaz » no nahatonga ny firehetana tao amin’ny toeram-pisakafoanana ity, raha ny nambaran’ny mpamonjy voina.

Laisser un commentaire