Alasora : EPP miisa valo no tsy mbola misy « cantine scolaire »
Tonga namaly ny fanasana azy, hiara hisakafo tamin’ireo mpianatra tao amin’ny EPP Ambatomalaza, ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Alasora, nandritra ny fanamarihana ny andron’ny sekoly teo. Ity sekoly ity izay misitraka ny fampisakafoana an-tsekoly (cantine scolaire) ao an-toerana, araka ny voalaza.
« Ity sekoly ity dia misy cantine scolaire in-efatra isan-kerinandro izay ny Association Madagascar Action Solidaire any Simandre (France) no mamatsy vola azy. Ny fiadidiana ny tanàna moa dia miezaka mitady mpiara-miombon’antoka mba hamatsy cantine scolaire ho an’ireo EPP miisa 8 tsy mbola manana izany eto amin’ny kaominina » hoy ny avy amin’ny tomponandraikitra.
« Anisan’ny filàna tena ilain’ny mpianatra, indrindra ny eny amin’ny ambaratonga ny fampisakafoanana an-tsekoly. Maro ny tombony azo amin’ny fisian’izy io, satria mampihena ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny, manampy ny ankizy hifantoka satria voky izy ka manatsara ny vokatra eo amin’ny fampianarana, mampazoto azy mandeha mianatra ihany koa » hoy i Fidy, mpandinika fiaraha-monina.
Anisan’ny olana lehibe mahatonga ny fihenan’ny tahan’ny mpianatra hamonjy sekoly ny tsy fahampian-tsakafo. Amin’izao fotoana anefa, miha maro ny ankizy manao tapa-kibo noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny sy ny vidim-piainana. Mila jerena manokana araka izany ity hetsika fampisakafoanana an-tsekoly ity ary tokony ho tohanana.
