Fampianarana: Hisokatra ny volana septambra izao ny ivo-toeram-pampianarana ny kanto sy ny kolontsaina
Fanaphanan-kevitra noraisin’ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ity ivon-toerana vao hatsangana ity. Hisokatra ny volana septambara 2023 izao ny ivon-toeram-pampianarana sy fanabeazana mahakasika ny kanto sy ny kolontsaina izay hatao eto Antananarivo. Ao anatin’ny tetik’asa “Cité des arts et des industries culturelles » avy amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izay hiarahany amin’ny CCIA.
« Vokatry ny fikaonan-doha naharitra telo taona ity tetik’asa ity ka hikarohana sy hamoahana ireo tena manana talenta ao anatin’izany kanto sy ny kolontsaina izany. Ny tanjona amin’izany dia ny mba hampiasana ny kolontsaina ho isan’ny fampandrosoana ny tanàna. Hisokatra amin’ny sehatra isan-karazany ity sekoly ity saingy ny mahakasika ny « design » no hanombohana azy », hoy i Elia Ravelomanantsoa Talen’ny zavakanto sy ny kolontsaina ary ny fiainam-piarahamonina ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
« Hizara telo mazava tsara ny fampianarana dia ny « grade licence, maîtrise, doctorat LMD. Etsy andaniny anefa dia hanokatra varavarana sy fampiofanana manokana ho an’ireo izay tsy te hiatrika fampiofanana ela loatra izahay. Ho takatry ny be sy ny maro ihany koa ny saram-piofanana hahafahan’ny rehetra misitraka izany fampiofanana izany. Afaka raisina daholo ny olona rehetra izay liana », hoy i Domi Sanji, mpiandraikitra ny fampiofanana ao anatin’ny sekoly.
Raha ny mahakasika ny « design » no hanokafana ny fampianarana dia ho avy eo ny rehetra manaraka. Hisokatra ihany koa ny sekoly mahakasika ny cinema izay efa nomanina ary misy ny fifandraisana amin’ny sekoly any ivelany hahafahana manafatra mpampianatra matihanina. Ilaina izany kanefa tsara ihany koa ny mitrandraka ny manam-pahaizana Malagasy eto an-toerana hahafahana mifanampy amin’ny lafiny rehetra.
Miora Raharisolo
