Mampandroso ny loharanom-bolam-pirenena ny fiarovana ny zava-boahary.
Ilaina ny fiarovana ireo harena voajanahary maro hita eto Madagasikara. Tsy hita afatsy eto an-toerana ny sasany amin’izy ireny.Misy efa mitady ho ripaka sy tsy hisy taranaka intsony ny ankamaroan’ireo sokatra sy gidro ary biby hafa. Miteraka fatiantoka ho an’ny firenena iray izany.Tsy vitan’izany ihany fa mandrava ny harena tokana aman-tany eto Madagasikara ny fanondranana an-tsokosoko ary mety hanimba ny ho avin’ny Malagasy tanteraka. Fikambanana iray misehatra eo amin’izany indrindra ny Word Wildlife Found na ny WWF. Izy no fikambanana iraisam-pirenena voalohany miaro ny valan-javaboary amin’ny firenena iray. Manolotra drafitr’asa maro sy manampy firenena izy amin’ny fiarovana izany. Raha ny eto Madagasikara manokana, sesilany ireo mpanao fanondranana tsy ara-dalàna tratra.Misy amin’izy ireo no mitondra zana-tsokatra “radiate” miisa 7 000 ka hatrany amin’ny 10 000. Ny sokatra no voalohany lasibatra amin’izany.Misy fomba maro no hanatanterahan’ny mpanao ratsy ny asany, anisan’izany ny fampirimana azy ireny anaty fiara ka tsy tratran’ny mpitandro filaminana, misy ihany koa ny any anaty entana maro samihafa. Tsy taitra intsony ny sasany amin’ny mpanao asa ratsy satria tsy misy intsony matetika ny fandraisana an-tanana ny raharahan’izy ireny eny amin’ny fitsarana mahefa.Mahatonga azy ireny hiverina amin’ny fanaony hatrany anefa izany. Miteraka tsy fahasalamana ho an’ireto sokatra ireto ny fanagejana azy amin’ny toerana tsy mahazatra azy ka antonym aha-ripaka sy mahalany tamingana azy ireto. Averina amin’ireo fikambanana mpikarakara ny fahasalamany izy ireto rehefa misy ny fahatratrana toy izao ary aterina any amin’ny toerana efa mahazatra azy. Rehareha ho an’ny Madagasikara ny fananana azy ireny ka tokony hamafisina ny fiarovana azy.
Fanilo Rarivoarilala
