Social

Toe-karena : Ny famokarana ifotony no vahaolana.

Tsy misy orinasa afaka manodina ifotony ireo voly fanondrana ananan’i Madagasikara. Hany ka miakatra hatrany ny sandan’ireo vola vahiny manoloana ny Ariary malagasy. Ndeha ho alaintsika ohatra ny famokarana sokolà eto Madagasikara. Isan’ireo firenena mpamboly Cacao isika, ary tena tsara kalitao tokoa izany. Iny faritra havaratra iny no tena misy azy, indrindra fa ny faritra Ambanja. Ny zavatra hita anefa dia mbola miandry ny sokolà avy aty Antananarivo ny olona ao Ambanja vao mihinana sokolà. Ary misy mihitsy aza vokatra hafarana avy any ivelany. Mandra-pahoviana isika no hanafatra sokolà avy any ivelany amin’ny vidiny lafo izay vita tamin’ny akora novidiana tamintsika ihany ? 

Dinah Razanajatovo

Laisser un commentaire