Social

Fiaraha-miasa ho an’ny tanjon’ny arivotaona ho an’ny fandrosoana.

Misehatra eo amin’ny fampandrosoana maharitra sy fanatsarana ny fiainana ankehitriny ny ODD. Tafiditra ao anaty progaman’asa izay karakarain’ny “Projet des Nations Unies pour le Developpement “ na ny PNUD ny ODD.Tanjona ny hampivoarana ny fiainana ho avy mba tsy hiteraka fahasarotana ho an’ireo taranaka any aoriana. Tsy maharitra ny fampandrosoana raha toa ka hampiasain-tsika avokoa ny fomba fitratrandrahana rehetra. Miteraka vokatra maharitra kosa anefa izany raha toa ka samy miezaka sy miray hina ary manaja ny tontolo iainana ny rehetra. Tanjon’ny ODD ny fialàna amin’ny fahantrana sy ny fiarovana ny tontolo mba hitoetra amin’ny filaminana ny mponina. Ho fanatanterahana izany tanjona izany, ilaina ny toe-tsaina tia mamorona,ny fahaiza-manao, ny teknolojia ary ny tohana ara –bola.Tsy maintsy mila ny fanohanan’ny Governementa ny firenena iray vao afaka miroso amin’ity Programan’asan’ny PNUD ity. Nanatanteraka izany fiara-miasa izany arak’izany ny teo anivon’ny minisitra mpikambana ao amin’ny governemanta sy ny Pnud. Ny faritra Analamanga, izay tena mbola ahitana taham-pahantrana lalina, aloha no ho jerena mialoha amin’ity fampandrosoana maharitra ity. Mikaon-doha amin’ny fikatsahana vahaolana arak’izaany izy ireo. Tsy ho an’ny faritra Analamanga ihany moa izao drafitra izao fa ho an’ny faritra hafa ihany koa. Tsy tokony hatao latsa-danja ihany koa ny fanentanana ny olona amin’ny fanovana toe-tsaina mba tsy hitambesatra amin’ny governementa sy ny Pnud ary ny mpamatsy vola irery ihany ny fampandrosoana. 

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire