SocialTsidika

Mampanaonao foana ny fahantrana

Latsaka anaty fahatrana lalina ny akamaroan’ny vahoaka malagasy amin’izao, hany ka na ny sakafo hohaniny aza manahirana azy. Mampanaonao fahatany mihitsy izy io rehefa tena very hevitra tanteraka amin’izay hohanina. Ramatoa iray izao tany Ankililioka-Toliara II nahavita nivarotra ny zanany miandahy amin’ny vidin’ny 20000 Ar noho ny tsy fisian’ny sakafo hohanina. Tohina ny fon’ireo nahita izany ka nanampy, nanome vola sy sakafo araka izay vita. Tapa-kevitra ny hihafy sy hitaiza ireto manakin’ny ainy ihany ilay renim-pianakaviana nony farany. Aleony hono mivarotra ireto zanany toy izay hahita azy ireo tsy ampy sakafo satria tsy hitany intsony izay atao hamelomany azy ireto. Iza no tokony handray an-tanana an’izy ireo ? Tompon’andraikitra amin’ny vahoakany ny fanjakana ary tsy afa-miala amin’izany andraikitra izany. Kanefa na eo aza ny fahantrana, ny zanaka no voalohan-karena ary silakin’ny aina ka tsy tokony hafoy toy izany. Fa isika vahoaka ihany koa no tokony handrindra ny fiainantsika ka rehefa hita fa manana ny ho enti-miatrika ny fiainana vao tokony hiteraka.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire