Inona marina ny anjara asan’ny mpanohitra eto Madagasikara ?
Maha firenena demokratika ny firenena iray ny fanomezana sehatra ny mpanohitra mba hahita ny mety hampandrosoana ny firenena. Ezahana sakanana hatrany anefa izy ireo amin’ny hetsika hataony raha ny hita eto amintsika. Naneho ny heviny manoloana ny zava-nitranga tamin’ny Asabotsy 20 febroary lasa teo ireo mpitarika ny antoko mpanohitra ny fitondrana izay ahitana ny “Le Groupe Panorama” sy ny antoko TIM . Nisy araka izany ny hevitra nivondronan’izy ireo mikasika ny tsy nahatanterahan’ny hetsika noho ny fanakanana azy tsy ho eny amin’ny kianjan’ Ambohijatovo.Nambaran’izy ireo tamin’izany ny tokony hamoahana tsy misy hatak’andro ireo olona rehetra izay nosamborina tamin’io andro io; notsindriany manokana ihany koa ny tokony hivondronan’ireo antoko mpanohitra hafa amin’izy ireo ho fiaraha-mitady vahaolana hamoahana an’i Madagasikara amin’ny krizy.
Larissa Randriamanana
