SocialTsidika

Ambohimangakely : Nahazo masomboly ny tantsaha

Nisy ny fizarana masomboly voafantina milanja 960 kg ho an’ireo mpamboly ao Ambohimangakely, izay nataon’ny kaominina sy ny faritra Analamanga. Tontosa ny 02 Aogositra 2022 ny fizarana izany.

« Fokontany miisa enina eto amin’ny kaominina Ambohimangakely no nisitraka ity andiany voalohany ity. Mbola hitohy hatrany ny fanatanterahana izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. « Mpamboly ny ankamaroan’ny mponina eto. Tsy ny fizarana sakafo no vahaolana hampaleo tena ara-tsakafo fa ny fanohanana anay tantsaha tahaka izao. Misaotra mankasitraka sahady » hoy i Holy, isan’ireo nisitraka ny masomboly.

Ny fambolena tokoa no sehatra voalohany mila ampandrosoina eto Madagasikara. Ny ankamaroan’ny Malagasy mantsy dia saika misehatra ao anatin’io avokoa, saingy mila fitrandrahana sy fanohanana tsara izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire