Fomba : Fa maninona no manao fati-drà?
Isan’ny fomba fanaon’ny olona taloha ny manao fati-drà. Mbola misy ihany aza ny manao izany ankehitriny, ho an’ireo mbola manaja ny fomban-drazana. Ny fati-drà dia mariky ny fihavanana nanovana fianianana tsy ho azo hivadihana. Ny olona sasany manao fati-drà mba ho lasa mpianaka. Ny hafa kosa manao izany ho lasa mpirahalahy na mpianadahy na mpirahavavy. Ary misy ny mifanati-drà amin’ny vazony.
Toy ny misy rà mikoriana an’ilay olona iray ao anatin’ilay anaovana fati-drà aorian’izay. Samy andidiana kely ny ambavafon’ny olona roa mifamati-drà. Rehefa misy rà mandeha dia faohina amin’ny silak’atin’akoho natony avy izany, mba hifampihinana rà izy roroa. Izany no nahatonga ilay teny hoe fati-drà. Ny fatitra dia teny enti-milaza ny zavatra didiana kely mba hisy lalatra marivorivo na madilana tsy dia lalina loatra.
Nicole Rafalimananjara
