Ny asa eto Madagasikara : Mitady mpiasa tanora be traik’efa ireo orinasa.
Sarotra ho an’ny tanora vao nahavita fianarana ambaratonga ambony no miditra amin’ny sehatry ny asa avy hatrany. Vokatry ny Covid-19 teo nianjady ny orinasa rehetra teo no anton’izany. Ny orinasa izay miezaka manarina ny toekareny ka tsy manao kinanga ny olona ho omena andraikitra. Ny vahaolana hitan’ny tanora mitady asa ankehitriny dia ny fanaovana andran’asa. Mety misy manantena ny ho voaray na entina hakana traik’efa izany. Misy ihany koa ireo izay mirona mankany amin’ny firotsahana an-tsitrapo. Ny tena mety dia ny famoronana asa na orinasa ho anao manokana. Saingy mba ahoana nefa ny lalana sy ambaratonga hananganana orinasa. Vitsy ny tanora no mahay izany.
Dinah Razanajatovo
