Fampodiana : Mbola maro ireo Malagasy tavela ao Chine
Maro ireo Malagasy tavela any ivelany na dia napetraka aza ireo sidina manokana hahafahana mampiverina azy ireo eto Madagasikara. Tsy vahaolana hoan’ny Malagasy any Chine ny fisian’ny sidina fampodiana miainga avy ao Paris. Maro ireo Malagasy manahy ny tsy hahafahan’izy ireo mody eto an-tanindrazana noho ny mbola fikatonan’ny sisin-tany.
« Tena lafo ny vidin’ny tapakila chine mankany France. 25 000 renminbi (vola sinoa) izany hoe eo amin’ny 15 000 000 ariary izany. Tsy takatry ny fahefam-mividinay izany, izahay rahateo tsy niasa nandritra ny volana maro » hoy i Nambinina, vehivavy iray niasa tany Chine ary tafajanona tany nandritra ny roa taona. Mangataka sidina manokana Chine-Madagacar ireo Malagasy tavela ao chine.
Efa nandefa taratasy fanangonan-tsonia hoan’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny sy ny masoivohon’i Madagasikara miasa ao Chine ny vondron’ny Malagasy tavela ao chine. “Mangataka amin’ny Fanjakana izahay mba hamela ny kaompaniam-pitaterana Kenya Airways mba hanao sidina hampodiana ireo Malagasy any chine » hoy izy ireo anatin’ny izany fanangonan-tsonia izany. Notsindrian’izy ireo anatiny izany fa sarotra ny fahazahoana « visa de transit » ary lafo ihany koa ny vidin’ny tapakila Chine-France na Chine-Ethiopie.
Malagasy efa-polo eo ho eo : ao ny mpianatra namita fianarana tany, mpiasa nahavita ny fifanarahana arak’asa nataony, mpianakavy niala sasatra tany Chine no tavela ao chine hatramin’ny niandohan’ity valanaretina coronavirus ity. Ho tapitra tsy ho ela ny fahazoahan’izy ireo mijanona ao an-toerana (visa). Ho sarotra anefa ny fanavaozana izany « visa » izany noho izy ireo tsy manana antony hijanonana ao Chine.
Misalasala ny maro anefa ny fampodiana ireo teratany tavela any ivelany, ao anatin’izany fisalasalana izany ny tahotra ny aretina « variant delta » amin’ny coronavirus.
Sitraka Rajaonarivony
