Social

Ampondra manakorontana ao Sofia.

Manakorotana sy mampikatso ny fiainan’ireo mponina any amin’ny faritra SOFIA iny ny fisian’ireo « ampôndra ». Izy ireo izay andian-jatovo maditra mampihorohoro vahoaka sy mandroba na manimba ny fananany. Velon-taraina ireo mponina any an-toerana ny amin’ny fisian’izy ireo satria tsy afaka miaina ara-dalana ; ny famboleny simbain’izy ireo. Mandrahona sy mahavita mifira amin’ny antsy mihitsy ireo tanora ireo raha hanarina sy tenenina kely amin’izao ataony izao. Miaina anaty tahotra ny vahoaka ka nanao antsoavo tamin’ny fitondram-panajakana ny hanaovana ireto « ampôndra » ireto. Sarona nandritra ny fisamborana nataon’ny zandary ireo zatovo miisa 30 mahery sy ireo fitaovana fampiasany ary ny fitaovam-pifohana rongony. Inona no mahatonga ireo « ampôndra »ireo hanao izao ? tsy mahalala ny fahantrana ve sa tsy mahazaka ny fahantrana efa mianjady ny firenena no manimba indray ny fiveloman’ny hafa ? Miteraka tsy fampandrosoana ho antsika izany ka tokony ho fongorona eto amin’ny firenena satria manala ny kely efa eo am-pelatanana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire