SocialTatitra

Chine : Lehilahy iray nanao “abdos” tamina andrin-jiro iray nampiteraka fahatapahan’ny herinaratra.

Lehilahy iray nanao “abdos” na ireny kotrana fampihenana kibo ireny tamina andrin-jiro iray tao Chine no nampiteraka fahatapahan’ny herinaratra goavana ny talata hoy ny tatitry ny mpanao gazetim-panjakana tany an-toerana ny talata 23 febroary. Tranga mahatsikaiky ity niseho tany atsimo andrefan’I Chengdu ity. Tsy nambaran’ny mpampita vaovao ny anaran’ilay lehilahy. Fitahian’Andriamanitra hoy ireo mpamponjy voina no tsy nahafaty io lehilahy io. Tsy nanambara izay tena antony nanosika azy hanatanteraka io endrim-panatanjahan-tena io teo amin’ilay andrin-jiro ilay lehilahy. Misy kosa ireo naka horon-tsary azy ary niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera izany. Mampiseho lehilahy iray mandry amin’ny lamosiny, amin’ny ahavo sahabo ho 10 metatra miala amin’ny tany, ny lohany no ambany ary ny tongony mamikitra amin’ilay andrin-jiro io horonan-tsary niparitaka io. Nanentana ny olona ny amin’ny tsy tokony hamerenana hetsika tahaka io niseho ny alatsinainy 22 febroary io intsony ny mpanao gazety any an-toerana. Entina nisorohana amin’ny loza mety nanterak’io hetsika io, notapahina avokoa ny jiron’ny tokan-trano an’arivony maro io andro io.

Laisser un commentaire