SocialTsidika

Mampitombo ny fahalalana ny famakiana boky.

Matetika no ahenoina fa malaina ny hamaky boky ny zaza Malagasy. Anisan’ny mampandringa ny fampianarana sy ny fanabeazana anefa izany. Variana amin’ny finday sy ny zavatra maro samihafa ny ankizy ka lasa tsy liana intsony amin’ny famakiana boky. Tsikaritra ho mihen-danja mihitsy ny tahan’ny fahaizan’ny ankizy vokatr’izany. Anisan’ny mamaha izay olana izay ny Alliance française etsy Andavamamba. Amin’ny alalan’ny fifanianana izay hanairana ny sain’ny ankizy no hanatanterahana izany. Ilaina ny hetsika tahak’izao mba hanomezana lanja bebe kokoa ny famakiana boky. Mitondra voka-tsoa maro mantsy ny famakiana boky raha tsy hilaza afatsy ny fitomboan’ny fahalalana. Anisan’ny manafaingana ny fianarana teny vahiny ihany koa ny famakiana azy ireny. Izany indrindra no nanomezan’ny AFT toerana manokana ho amin’izany. Manomboka amin’ny herinandron’ny teny frantsay, ny 6 martsa ho avy izao, ny fifaninana izay karakarain’izy ireo ka tsy hanavahana na iza na iza te handray anjara. Kendrena manokana ny salantaonan’ireo ankizy tena mbola ao anatin’ny sekoly fototra, izany hoe ny zaza 9 ka hatramin’ny 16 taona no tena hampandraisina anjara. Izy ireo izay mbola ao anatin’ny fianarana any an-tsekoly matetika. Tanjona ny hahatonga azy ireo ho tia sy hanana ny kolotsain’ny vaky boky.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire