SocialTsidika

Mampisondrotra haingana ny voka-bary ny fanokafana ireo fefiloha.

Nahitàna fiakarany ny vidim-bary teto Madagasikara volana maromaro izay. Ny fahasahirananan’ny tantsaha amin’ny famokarana vary no tena antony mapidangàna be loatra ny vidim-bary. Manampy trotraka ny tsy fahampiana’ny rotsak’orana tamin’ny volana janoary ka manimba tanteraka ny vary teny an-tsaha. Manondraka tanimbary amina “hectare” maro mantsy ny rotsakorana. Ary tena mampiroborobo haingana ny fanirin’ny vary. Hita ho ritra tanteraka ny loharano. Na tany amin’ny toerana mpamokatra vary be indrindra teto Madagasikara aza, hita fa tena sahirana tokoa vokatr’izany. Niakatra be ny vidin’ny vary na ny tany amin’ny foiben’ny mpamokatran na ireo mpaninjara. Ny faritra alaotra mangoro moa no tena lohalaharana amin’ny fambolena vary eto Madagasikara. Mbola eo amin’ny fanarenanan ny fatiantoka ny ankamaroan’ny mpivarotra ankehitriny. Vahaolana araka izany ny fanarenana ireo fefiloha manondraka tanimbary mirefy 7700 Ha. Kendrena manokana amin’izany any amin’ny foibe mpamokatra toin’ny Ambatondrazaka, Amparafaravola. Ny fefiloha Anony, Ampasikely, Vallée Marianina no harenina hanondrahana ireo tanimbary ireo. Rehefa milamina mantsy ny any amin’ireo faritra ireo, azo antoka ny fiverenan’ny vidim-bary amin’ny laoniny. 

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire