ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Tompon’andraikitra amin’ny fahadiovan’ny tanàna ny rehetra

Mitohy hatrany ny fanadiovana ataon’ny Kaominina Ankadikely Ilafy amin’izao fotoana izao. Mitohy hatrany ihany koa ny fanentanana ny olona hahay hanadio ny manodidina azy satria rehefa tsy manary fako dia efa isan’ny manadio.

« Tanàna madio, ho lavitry ny loto, no tanjontsika ka aoka ho tia sy hahay hanaja ny fahadiovana isika rehetra » hoy ny Ben’ny tanàna Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija. « Tokony hahay hahatsapa tena ny tsirairay fa tsy sanatria hiandry ny kaominina ohatran’izao foana vao mba hadio ny tanàna » hoy i Clara, mponina ao Ankadikely Ilafy. « Ilaina eo amin’ny fampandrosoana tokoa ny tanàna madio kanefa na izany aza dia mila jerena akaiky ihany ny lalana aty Ambohibe mankany Mahazo fa tena mijaly izahay aty » hoy i Irène, mponina any an-toerana.

Tompon’andraikitra amin’ny fahadiovana tokoa ny rehetra ka tokony handray andraikitra amin’ny fahadiovan’ny tanàna. Zava-poana ny fanadiovana ataon’ny Kaominina raha ny vahoaka mihitsy no mbola tsy tonga saina amin’ny fahadioavana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire